Volavolan-dalana mikasika ny fizaka-manana ara-indostria

fizakamanana-ara-indostria
Nandray ny Atrikasa momba ny Fanondroana ara-jeografika ny tao Tsiroanomandidy taorian’i Mahajanga sy Miarinarivo
Nampahafantarina ny tany amin’ny Faritra Bongolava ny mikasika ny fisian’ny Volavolan-dalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria izay entina hanatanterahana ny Tetikasa fiarovana ny vokatra amin’ny alalan’ny Fanondroana ara-jeografika na « Indication Géographique » (IG). Notanterahana tao Tsiroanomandidy omaly Alakamisy 1 Aogositra 2024 ny Atrikasa momba izany, nandraisan’ireo tompon’andraikitra sy sokajin’olona samihafa anjara.
Niray feo ireo Solombavambahoaka tonga nanatrika ny atrikasa fa tena ilaina ny fahatanterahan’ity tetik’asa Fanondroana ara-jeografika ity satria tena hampitombo ny lazan’ireo vokatra vokarina avy any amin’ny Faritra ary indrindra hampiakatra ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nohamafisin’izy ireo tamin’izany fa tena ilaina tokoa ny fiarovana ny vokatra manana ny maha-izy azy any amin’ny faritra Bongolava toy ny toy ny Baie rose, Vary mainty, ny Omby, ny Katsaka, izay tena miavaka amin’ny fifandraisany manokana amin’ny tany amokarana azy.
Nanome toky ireo Solombavambahoaka ireo fa hampandany ny volavolan-dalàna mikasika Fizaka-manana ara-indostria izay ametrahana ny andinin-dalàna momba ny fiarovana ny vokatra amin’ny alalan’ny Fanondroana ara-jeografikan’ireo vokatra tena manana ny lanjany any amin’ny Faritra.
Hita taratra tamin’ny fanontaniana napetrak’ireo mpandray anjara sy ireo solotenam-panjakana fa tena liana amin’ity tetik’asa ity ny any Bongolava.
Anisan’ireo nanotrona ny atrikasa ny Solombavambahoaka miarahalahy voafidy tao Tsiroanomandidy, Lucien Ranarivelo, sy ny tao Fenoarivobe, Bien Aimé Arsène Randrianarisoa. Nitarika ny iraky ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ny Sekretera jeneraly Vahinisoa Rasamoely Ranoelimanana.

Vous aimerez aussi...