One District One Factory (ODOF)

odof_avaradrano
Hamokatra paty 4 taonina isan’andro ny Orinasa ODOF Allo Food Factory eny amin’ny By Pass
Mitombo isa indray ireo orinasa ODOF afaka mamokatra entana ilain’ny mponina andavanandro. Notokanana teny amin’ny By Pass anatin’ny kaominina Alasora tamin’ity Talata 6 Aogositra 2024 ity ny Allo Food Factory mpanamboatra paty avy amin’ny lafarinina vita malagasy sy atody avy amin’ny mpiompy akoho eny amin’ny kaominina Ambohimanambola sy Alasora.
4 taonina isan’andro ny paty voaodin’ity orinasa ODOF ity aty am-panombohana. “Vinavinan’ny orinasa, aoriana kely, ny hamokatra sakafo hafa vita avy amin’ny legioma afaka afangaro amin’ny paty”, hoy i Tania Ratsirahonanana, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny orinasa Allo Food Factory.
Mampiasa mivantana olona 6 ny orinasa eny amin’ny By Pass fa tsy maintsy hisy ny fanamaroana isa ny mpiasa hisahana ny ara-barotra ahafahana manely ny vokatra any amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara, hoy ihany ny avy ao amin’ny Allo Food Factory.
Nampahatsiahivin’ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) Vahinisoa Rasamoely Ranoelimanana, nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy teny amin’ny By Pass, fa mitsinjo ny hitohizan’ny fihodinan’ny orinasa ODOF napetraky ny Fitondram-panjakana ny Minisitera. “Sanatria tsy ho fitaovana hojerem-potsiny tsy hiasa ireo fitaovanana novidian’ny Fanjakana lafo ireo”, hoy izy. Manampy amin’ny fikojakojana ny milina ODOF napetraka amin’ny distrika sy kaominina samihafa manerana ny Nosy sy amin’ny fikatsahana lalam-barotra, araka izany, ny Orinasa afrikana tatsimo Us Okes.

Vous aimerez aussi...