Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Itasy Fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana isam-paritra

? Alaotra Mangoro: Nahazo fampiofanana momba ny lalàna vaovao misahana ny orinasa kaoperativa ireo mpikambana ao anatin’ny Kaoperativa HANITRINIALA ao amin’ny kaominina Morarano. Nisitraka ihany koa ny milina fanodinana mena-boanjo ary nomena ny fampiofanana ara-teknika momba ny fikirakirana izany milina izany ny kaoperativa. Velom-bolo ny mpikambana ao amin’ny kaoperativa HANITRINIALA amin’ny fampiroboroboana ny sehatr’asa misy azy ireo.
?Itasy : Kaoperativa miisa roa ao amin’ny kaominina Ampefy no nisitraka fampiofanana mikasika ny lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Ny kaoperativa MIARA MANDRESY misehatra amin’ny fiompiana sy ny kaoperativa TSARA ZAZA MANDIMBY misehatra amin’ny fambolena vary no nomen’ny DRIC izany fampiofanana izany.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...