Vitrine de Vakinankaratra

𝗧𝗼𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗿𝗮- 𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝗸𝗶𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻𝘆

Tonga eo amin’ny andiany faha-26 ny “VITRINE DE MADAGASCAR” karakarain’ny Fivondronan’ny Orinasan’ny Vakinankaratra (FIOVA) isan-taona. Ireo rehetra nandray fitenenana, nandritra ny lanonam-panokafana omaly Alakamisy 05 Septambra 2024 tany Antsirabe, dia nanamafy ny mahazava-dehibe ny Fampiroboroboana ny Indostria izay andry faharoa amin’ireo andry telo lehibe hiorenan’ny fampandrosoana ny firenena ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.
Naneho ny fahavononany hanampy ny sehatry ny indostria ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena TOKELY Justin, raha toa ka hisy ny fanitsiana ny lalàna hanatsarana ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra eto Madagasikara.
“Manao izay hahatanteraka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra”, hoy kosa ny Sekretera jeneraly Vahinisoa RASAMOELY izay nisolo tena ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA. Ho sarihana ny sehatra rehetra tsy miankina indrindra fa ny mpandraharaha teratany sy vahiny hirotsaka amin’ny Fampiroboroboana ny Indostria, hanamafy orina ny fahafahantsika mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka hiteraka fampandrosoana ara-toe-karena ny Faritra sy fampitomboana ny fanondranana entana mankany ivelany.
“Famokarana entana sy raharaha mitodika amin’ny tsena: ho amin’ny fitomboana maharitra” (Production de biens et de services orientées vers les marchés: pour une croissance durable). Io no lohahevitry ny hetsika Vitrine de Vakinankaratra tamin’ny taona 2024 ity.
Miisa 274 ny trano heva ahitana ireo mpandray anjara. Anisan’ireny ny an’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Vakinankaratra. Avoitrany amin’izany fa efa mihodina sy mamokatra ireo orinasa ODOF (One District One Factory) efa tafapetraka ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra.
SARY NOMENA

Vous aimerez aussi...