Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta Afrikana

𝗡𝗮𝗻𝗮𝗼 𝘁𝗮𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗼𝗺𝗽𝗼𝗻’𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗯𝗼𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗽𝗮𝗶𝗸𝗮𝗱𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗭𝗟𝗘𝗖𝗔𝗙 𝗻𝘆 𝗠𝗜𝗖

 

Tamin’ny alalan’ny Atrikasa tetsy amin’ny Hôtel IBIS Ankorondrano no nanazavan’ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ireo dingana natao hamolavolana ny paikadim-pirenena momba ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (ZLECAF) sy ireo fakan-kevitra maro notanterahana. Nandray anjara tamin’zany ireo Sekretera jeneraly sy Tale jeneraly eny anivon’ny Ministera samihafa.

« Nisy ny dingana vita nandritra ny fakan-kevitra sy ny ezaka natao. An-dalana ny famolavolana ny paikady hidiran’i Madagasikara amin’ny fahombiazana kokoa, amin’ny tsena malalaka anatin’ny kaontinanta afrikana », hoy ny Sekretera jeneralin’ny MIC, Vahinisoa RASAMOELY, omaly Zoma 06 Septambra 2024 tetsy Ankorondrano.

Natambatra ny hery tamin’izao atrikasa izao ho fanohanana ireo sehatra tsy miankina ho lasa lavitra ka hiakatra ny famokarana, hitombo ny mpandray ny entana avy eto Madagasikara ary hitombo arak’izany koa ny vola miditra amin’ny firenentsika.

Ny tanjona dia ny hananana vina mitovy sy hampidirana izany paikadim-pirenena izany ao anatin’ny tanjon’asa sy ezaka ho an’ny departemantam-panjakana voakasika rehetra.

Ny fampiroboroboana ny fanondranana entana ara-barotra, ny varo-draharaha, ny fampiasambola anatin’ny fahalalahana mivezivezy eto Afrika moa no anisan’ny manosika an’i Madagasikara hiditra amin’ny ZLECAF. Anantenana vokatra tsara ho an’ny firenena izany.

Niara-niasa nahatanteraka ny Atrikasa teny Ankorondrano ny PNUD.

Vous aimerez aussi...