𝗙oire 𝗜nternationale de l’𝗔griculture (𝗙𝗜𝗔) 𝟮𝟬𝟮𝟰

𝗡𝗶𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗔 𝗻𝘆 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮-𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗻𝘆 𝗮𝗸𝗼𝗿𝗮 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮

Tsy fampirantiana fotsiny ihany fa fikaonan-doha hampandrosoana ny toekarena koa ny Foara iraisam-pirenena momba ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (FIA). Fifanakalozan-kevitra niompana tamin’ny fanodinana ny akora fototra no nandraisan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ary ny avy amin’ny Sehatra tsy miankina anjara teny Tanjombato ny Alakamisy 12 Septambra 2024.
Nivoitra tamin’izany fa ilaina ny fametrahana fotodrafitr’asa sy indostria ahafahana manodina ireo akora fototra. Mila fanoloran-tena amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina izany. Apetraka ho anisan’ny laharam-pahamehana, ao anatin’ny paik’ady, ny famokarana sakafo indostrialy satria ny ankamaroan’ny malagasy dia misehatra amin’ny asa fambolena, fiompiana ary jono.
Eo no miditra ny Fandaharan’asa ODOF (One District One Factory) anodinana sy hanatsarana ny akora fototra eny amin’ny distrika. “Anatin’ny Tetik’asa ODOF ny fanaovana tombana ny akora eo an-toerana manakaiky ny mpamokatra, ny tantsaha, ny kaoperativa miasa amin’ny famokarana. Eo ihany koa ny fahafahan’ny distrika mamokatra izay akora fototra ilaina”, araka ny fanazavana nentin’ny Tale jeneralin’ ny Fampiroboroboana ny indostria eto amin’ny MIC, Njiva RAKOTOARIVONONA.
Mampiroborobo ny fandraharahana sy ny famoronana asa eny anivon’ny distrika koa ny fanodinana ny akora fototra satria anisan’ny mpamorona asa lehibe ny indostria. Hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpiasa ao an-toerana izany, ankoatran’ny tombontsoa azo avy aminy eo amin’ny fampanjarian-tsakafo.
82 izao ny milina fanodinam-bokatra efa miparitaka nanomboka ny taona 2019. Anisan’izany ny fitaovana indostrialy toy ny milina fanodinana voanjo, milina fanodinana voatabia, milina fanamainana voankazo, milina manodina voankazo ho lasa divay. Ho an’ny sehatry ny jono dia manohana ny kaoperativa amin’ny alalan’ny fanomezana milina famokarana gilasy hiarovana ny trondro tsy ho simba ny Fitondram-panjakana.

Vous aimerez aussi...