๐—™๐—ถ๐˜๐˜€๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐——๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฑ ๐—ฅ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—™๐—œ๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—š๐—” ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ข๐˜‡๐—ถ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ข๐—จ๐—˜๐—ฆ๐—ง ๐—ฆ๐—จ๐—–๐—ฅ๐—˜ ๐—–๐—ข๐— ๐—ฃ๐—Ÿ๐—”๐—ก๐—ง ๐——๐—˜ ๐— ๐—”๐——๐—”๐—š๐—”๐—ฆ๐—–๐—”๐—ฅ ๐—ก๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ธ๐—ถ๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜ƒ๐—ผ๐—ธ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐˜€๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐˜† ๐—ฎ๐—ผ ๐—ฎ๐—ป-๐˜๐—ผ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ

๐Ÿ‘‰Vinavinaina ny hananganana fotodrafitrasa hanakanana ny rano tsy hihoatra (digue de protection) amin’ny toerana manakaiky ny vavaranon’i Mahavavy rehefa naravona ny dinika tamin’ireo teknisiana sy fikambanan’ny mpamboly ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa mpamokatra siramamy ao Namakia. Anton-dianโ€™ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA tany an-toerana, taorianโ€™ny fidinany tany aminโ€™ny SUCOMA Ambilobe ny fitadiavana vahaolana malaky ho fiarovana ireo voly fary sy vary any Namakia izay tandindomin-doza noho ny fahavakisanโ€™ny barazy rehefa fotoananโ€™ny rotsakโ€™orana. Efa namela takaitra tamin’ny lanjan’ny vokatra izay nijotso moa izany teo aloha ka atao izay tsy hiverenan’izany indray.
Nahatratra 200 000 taonina ny vokatra fary taminโ€™ity taoana ity raha eo amin’ny 23 000 taonina eo ny siramamy voaodina. Nisy fihenana izany noho ny rotsakโ€™orana nameno fasika ireo tanimboly sy noho ny fomba fambolena tsy nisy fanolokoloana. Efa manatsara ny teknikam-pambolena anefa ny eo anivon’ny orinasa ahafahana mampitombo ny vokatra amin’ny taona 2025.
๐Ÿ‘‰Nitohy tamin’ny fitsidihana ny ozinina mpanodina fary ny fidinanโ€™ny Minisitry ny Fampirobroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tany Namakia ary nofaranana tamin’ny dinika taminโ€™ny Tale jeneralinโ€™ny orinasa niresahana ireo vahaolana ho anโ€™ny orinasa sy ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa.
Nanome toromarika ny Minisitra hanarahanโ€™ny eo anivonโ€™ny Gouvernorat sy ny ekipanโ€™ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Boeny ary ireo teknisiana maso akaiky ny fizotry ny asa fampandrosoana any an-toerana. Niara-dia taminy taminโ€™izay fidinana tany Namakia izao ny Tale jeneralinโ€™ny Fambolena eo anivonโ€™ny Minisiteranโ€™ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), ny Tale jeneralinโ€™ny CMCS na ny Foibe malagasy momba ny fary sy ny siramamy ary ny Tale jeneralinโ€™ny SIRAMA. Natrehin’ireo manampahefana izay nahitana ny Governora, Prefenโ€™i Mahajanga ary ny Talem-paritra (DRIC) Boeny sy ny mpiara-miasa aminy izany.

Vous aimerez aussi...