𝗥éseau des 𝗘tablissements 𝗔gricoles 𝗣rofessionnels 𝗔frique 𝗔ustrale-𝗢cean 𝗜ndien (𝗥𝗘𝗔𝗣 𝗔𝗔𝗢𝗜)

𝗡𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸’𝗮𝘀𝗮 𝗢𝗗𝗢𝗙 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘀𝗼𝗹𝗼𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗻𝘆 𝗟𝗮 𝗥𝗲́𝘂𝗻𝗶𝗼𝗻, 𝗙𝗿𝗮𝗻𝗰𝗲, 𝗠𝗮𝘆𝗼𝘁𝘁𝗲, 𝗠𝗮𝘂𝗿𝗶𝗰𝗲 𝗮𝗿𝘆 𝗦𝗲𝘆𝗰𝗵𝗲𝗹𝗹𝗲𝘀 𝗻𝘆 𝗗𝗥𝗜𝗖 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆

Nampahafantarin’ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy, nandritra ny Vela-kevitra iraisam-pirenena andiany faha-5 ho an’ny REAP AAOI, ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) sy ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) hanatrarana ny fizakantena ara-tsakafo. Kendrena ny fampiakarana ny sanda harin’ny vokatra amin’ny alalan’ny fampitaovana milina fanodinam-bokatra eny anivon’ny Distrika manerana ny Madagasikara ho tombontsoan’ny vahoaka eny ifotony.
Ny 09 hatramin’ny 12 Septambra 2024 no nanatontosana ity fihaonan’ny REAP AAPI ity tany Ampefy. Nandray fitenenana tamin’izany koa ny avy amin’ny Orinasa kaoperativa NOBEL FLEUR mpitantana ny milina ODOF manodina voanjo ho lasa menaka ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo. Nambarany fa fanoitra lehibe nahafahany nampiroborobo ny fandraharaharany ny fisian’ ny Tetikasa ODOF.
Liana sy nidera ny ezaka ataon’ny MIC ireo solontenam-pirenena samihafa nanatrika io vela-kevitra ary nanandrana sy nividy ny menaka ODOF vokarinin’ny orinasa kaoperativa NOBEL FLEUR.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...