𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗮𝘀𝗮𝗱𝗮𝗼𝗿𝗼𝗻’𝗶 𝗧𝘂𝗿𝗾𝘂𝗶𝗲, 𝗜𝘀𝗵𝗮𝗸 𝗘𝗯𝗿𝗮𝗿 𝗖̧𝘂𝗯𝘂𝗸𝗰̧𝘂 𝗻𝗶𝗿𝗲𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝘁𝗶𝗼𝗿𝗸𝗮

Taorian’ny Ambasadaoron’i Japon dia ny Ambasadaoron’i Turquie eto Madagasikara indray no noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA tetsy amin’ny birao fiasany Ambohidahy. Tamin’izany no nifampizaran’ny roa tonta fijery momba ny fepetra hisian’ny fifampitokisana hampahomby ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha avy any Turquie.
Ho an’ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany isika ho fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara. Tsy avela handalo fotsiny, araka izany, ireo fanararaotra (opportunités) tokony ahazoan’ny firenena tombontsoa.
Irin’izy ireo ny hametrahana Vaomiera ara-toekarena iraisana hijery ny sehatra hisian’ny fiaraha-miasa sy ny ho endriky ny fifanaraham-piaraha-miasa. Zava-dehibe koa, araka ny nambarany, ny fifanarahana ho amin’ny fifanakalozana malalaka.
Anisan’ny sehatra mampiavaka an-dry zareo tiorka moa ny varotra sy ny fananganana fotodrafitr’asa.

Vous aimerez aussi...