Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Itasy, Menabe ary Alaotra Mangoro

𝗥𝗲𝘀𝘆 𝗹𝗮𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘃𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝗸𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮

 

?ITASY: Orinasa kaoperativa 4 no tafatsangana tany Miarinarivo taorian’ny fanentanana nataon’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) tamin’ireo Fikambanana 4 miara-miasa amin’ny CENTRE ALABRI (Foibe mpiahy ny tantsaha mpamokatra, ny Zaza sy tanora sahirana) ny 09 ka hatramin’ny 13 Septambra 2024. Ny Orinasa kaoperativa TSARARINDRA sy MIARINA misehatra amin’ny voly avotra ovy sy tsaramaso), ny Orinasa kaoperativa AVOTRA TM ivondronan’ireo mpitatitra olona amin’ny moto (taxi moto) ary ny EFARC 3F ho an’ny mpanao asa tanana ireo. Ny 90% amin’ireo mpikambana ao amin’ireo Orinasa kaoperativa ireo dia tanora latsaky ny 35 taona avokoa. Nahatratra 25 ny kaoperativa natsangana teo amin’ny DRIC Itasy tato anatin’ny telo volana farany.

?MENABE: Nahitam-bokatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRIC Menabe sy ny Tetik’asa DURELL MENABE. Tafatsangana ny 11 Septambra 2024 teo tao amin’ny Kaominina Aboalimena, Distrikan´i Belo/Tsiribihina ny Orinasa kaoperativa HETSORO misehatra amin´ny fambolena voanjo, fiompiana tantely ary fanaovana trondro maina. Kaoperativa voalohany ao Aboalimena i HETSORO ary faha-15 amin´ny kaoperativa natsangana tamin´ity taona 2024 ity any amin’ny Faritra Menabe.

?ALAOTRA MANGORO: Niorina ara-panjakana ny 13 Septambra 2024 tao amin’ny Kaominina Tanambe, Distrikan’Amparafaravola ny Orinasa kaoperativa AMBININTSOA izay ahitana mpikambana 54, 45 lahy sy 9 vavy, misehatra amin’ny resaka fanjonoana. Sady nomena fampihofanana momba ny andinindininy amin’ny Lalàna vaovao mifehy ny Orinasa kaoperativa sy ny fomba fitantanana izy ireo no nomena torolalana ihany koa amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Velom-bolo ireo mpikambana ary vonona hatrany hanatsara sy hampitombo ny seha-pihariana izay sahanin’izy ireo.

Vous aimerez aussi...