« Foire et festival de la region Analamanga »

𝗔𝗿𝗮𝗻𝘁𝘆 𝘀𝘆 𝗮𝘇𝗼 𝗷𝗶𝗳𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗲𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗶𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗕𝗮𝗿𝗲𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗼𝗱𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗢𝗗𝗢𝗙

Nomena sehatra manokana ireo Orinasa ODOF (One District One Factory) ato amin’ny Faritra Analamanga. Eo amin’ny trano hevan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Analamanga izy ireo no mampiseho ny vokatra novokariny mandritra ny “Foire et festival de la Région Analamanga”. Hetsika hatelona nanomboka tamin’ity Zoma 20 Septambra 2024 ity.
Anisan’ireo hita etsy Mahamasina, araka izany, ny Paty vokarin’ny ALLO PASTA, orinasa ODOF ho an’Antananarivo Avaradrano, ny Voatabia naodin’ny orinasa KAMA any Ambohidratrimo, ny Menaka avy amin’ny voanjo sy soja vokarina any Anjozorobe ary ny Tantelin’ny ILOO PROJECT any Manjakandriana.
Nankasitraka ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ireo manampahefana sy tompon’andraikitra nitsidika ny trano heva. Nirary ny hitohizan’ny tetikasa ho fitsinjovana sy fijerena ny eny ifotony ary hanandratana ny vokatra Vita Malagasy izy ireo.

Vous aimerez aussi...