MICC Ambohidahy:Niadian-kevitra tamin’ny “Alliance Mondiale” ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny any ivelany
Dinika an-databatra boribory. Nihaona tamin’ny ekipan’ny MICC teny Ambohidahy androany Talata 05 Jolay 2022 ny avy amin’ny Fifanarahana maneran-tany ho amin’ny fanamorana ny fifanakalozana (Alliance Mondiale pour la Facilitation des Echanges) izay mpiara-miombon’antoka amin’ny Komity Nasionaly momba ny Fanamorana ara-barotra (CNFE) eto Madagasikara. Voaresaka tamin’izany ny mikasika ny Rafitra momba ny fanapahana mialoha ary koa ny Taratasy nomerika manamarina ny fikarakarana ara-dalàna ireo vokatra azo avy amin’ny zava-maniry na “e-Phyto”. Tetik’asa roa izay samy novatsian-dry zareo vola ka ho ampiasain’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana manomboka izao. Nararaotina tamin’io fotoana io koa ny nangatahana ny fanatanterahana ny vina “fanamorana ny fandalovan’ny entana eo amin’ny fadintseranana” na fanondranana izany na fanafarana entana. « Nanaiky ny mpiara-miombon’antoka ka fandresena ho antsika koa izany ».
Androany moa no natolotra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fanatanterahana ny Tetik’asa momba ny fanapahana mialoha sy ny e-Phyto.