𝐓oekarena eny ifotony

đđšđŠđ©đšđĄđšđŸđšđ§đ­đšđ«đąđ§đš 𝐭𝐚𝐩𝐱𝐧’𝐧đČ 𝐟𝐹𝐩𝐛𝐚 đšđŸđąđŹđąđšđ„đČ 𝐧đČ đ“đžđ­đąđ€â€™đšđŹđš đ…đšđ§đšđ§đđ«đšđšđ§đš đšđ«đš-đŁđžđšđ đ«đšđŸđąđ€đš 𝐡𝐹 đŸđšđŠđ©đšđ§đđ«đšđŹđšđšđ§đš 𝐧đČ đŸđšđ«đąđ­đ«đš

Miankina amin’ny fampandrosoana mirindra eo amin’ny faritra tsirairay ny fitomboana maharitra eo amin’ny toekarentsika. Nizara ny lalan-tsaina maha-zava-dehibe ny Fanondroana ara-jeografika (Indication gĂ©ographique) ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny Tetik’asa teny amin’ny Panorama Andrianarivo. Hanampy betsaka amin’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena izay Andry faharoan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana koa ny Fanondroana ara-jeografika.
“Tena ilaina ny mamantatra izay mampiavaka manokana ny faritra tsirairay, ny tanjaka ara-toekareny ahafahana mitrandraka izany anaty paik’ady sy hitondra tombontsoa eo amin’ny toekarem-pirenena”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nandritra ny lahateny fanokafana ny lanonana. Hanampy ny mpamboly amin’ny famoahana ny vokatra sy amin’ny fitadiavana lalam-barotra tsara kokoa sady manome lanja ny vokatra vokarina ao amin’ny Distrika amin’ny alalan’ny fanondroana ara-jeografika ny tetik’asa, satria mampitombo ny vidin’entana ny fisian’ny fahafantarana ny fiavian’ny vokatra iray. Voamarik’ireo mpiara-miombon’antoka izay efa mametraka ity tetik’asa ity atsy Afrika ka nazahoan’ireo firenena tsirairay avy tombontsoa izany. “Ity tetik’asa ity dia tohanan’ny Minisitera 100% satria manatsara ary mitondra antsika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena”, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA teny Andrainarivo.
Ho tanterahana mandritra ny 3 taona ny Tetik’asa Fanondroana ara-jeografika izay vatsian’ny AFD (Agence Française de DĂ©veloppement) vola. Mpiray antoka amin’ny fanatanterahana ny Tetik’asa kosa ny AIM, MIC, OMAPI ary ny CIRAD. Efa nisy ny fanaovan-tsonia talohan’izao ka natolotra azy ireo teny Andrainarivo ny atontan-taratasy momba izany.
Ho atao vaindohan-draharaha ny fandrafetana ny Lalàna sy ny paikady ary ny fomba fitantanana ahafahana miaro sy manome lanja ireo vokatra mampiavaka ny isam-paritra. Hisy ny fampahafantarana sy fifampiresahana amin’ireo mpisehatra sy ireo mpanao lalàna mba handaniana ilay Lalàna amin’ny fivorian’ny Antenimiera mpanao lalàna, hoy ny Tale mpanatanteraky ny (AIM) Rivo ADRIATSIMATAHOMANANA.

Vous aimerez aussi...