Vaovao songadina avy any amin’ny faritra

?ATSIMO ??? ?ATSIMO ATSINANANA: Nandray anjara tamin’ny fivoriana momba ny Tetik’asa PACFC (Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce) tany Tolagnaro ny DRIC Atsimo Atsinanana ny 27 Septambra 2024. Izay hahafahana manatsara ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fanamorana ny fivezivezen’ny vokatra no niadian-kevitra tamin’izany. Misy, araka izany, ny fampiofanana ireo efa mpandraharaha misehatra amin’ny fanondranana sy ny fampiofanana ireo tanora izay maniry ny hisehatra amin’izany asa fandraharahana izay. Misy kosa anefa ny sivana arak’ireo fepetra takiana amin’izany fampiofanana izany.
?BOENY: Nisitraka fiofanana momba ny fahaiza-mitarika sy hay varotra ary ny Lalàna vaovao mikasika ny Orinasa kaoperativa ny Kaoperativa Boina Miray (KBM) ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ankazomiriotra, Distrika Marovoay ny 24 hatramin’ny 27 Septambra 2024. Niarahan’ny ekipan’ny MIC sy ny DRIC nanatontosa ny fiofanana ary notohanan’ny JICA japoney amin’ny alalan’ny Tetik’asa PAPRIZ. Nandray anjara tamin’izany ny mpikambana 20 izay misehatra amin’ny fambolena masomboly voafantina. Nisy fanolorana fitaovana maromaro avy amin’ny Tetik’asa izay mbola ny sampandraharahan’ny fambolena ao an-toerana no miandraikitra izany aloha.
? ATSIMO ANDREFANA: Notanterahana ny 30 Novambra 2024 ny fifidianana ireo mpikambana maharitra vaovao hitantana ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Atsimo Andrefana. Ho fanomanana izany dia nisy ny fivorian’ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana sy ireo solontenan’ny vondrona rehetra ny 27 Septambra 2024 tao amin’ny CCI Toliara. Tamin’izany no nampahafantarana ireo fepetra rehetra voarakitra ao anatin’ny Lalàna ho fanatanterahana ny fifidianana. Natao koa ny fandaminana ny fanangonana ny atontan’isan’ireo mpandraharaha ara-toe-karena ao anatin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Naneho fahavononana hiatrika ny fifidianana ireo mpandray anjara.

Vous aimerez aussi...