𝗙ankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana

𝗡𝗼𝗺𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗥𝗜𝗖 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗖𝗖𝗜 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗢𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗸𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗢𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗢𝗗𝗢𝗙 (𝗢𝗻𝗲 𝗗𝘀𝗶𝘁𝗿𝗶𝗰𝘁 𝗢𝗻𝗲 𝗙𝗮𝗰𝘁𝗼𝗿𝘆) 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆

Fampirantiana ny vokatra vokarin’ny orinasa kaoperativa sy fanasongadinana ny sanda harin’ny Tetikasa ODOF no nataon’ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) sy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Itasy, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana tany Arivonimamo.

Nasandratra tamin’izany ny mena-boanjo vokarin’ny Orinasa ODOF NOBEL FLEUR ao Analavory, ny vokatra mampiavaka an’Arivonimamo voaodin’ny Kaoperativa COAGRI, ny divay avy amin’ny voankazo amboarin’ny Kaoperativa JETPRA, ny TAPIA D’ITASY manodina ny tapia ho lasa divay, ny asa tanana vita amin’ny landy avy amin’ny Kaoperativa FIMAMI ary ny kafe Arabica an’ny Kaoperativa KKAAI.

Hampiavaka ihany koa ny any amin’ny Faritra Itasy ny fametrahana ny Vala indostrialy ao Fieferamanga izay Tetikasan’ny Filoham-pirenena.

Nanotrona ny hetsika tany Arivonimamo ny Talen’ny Fisandratana ara-indostria ato amin’ny MIC.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...