Adisisika momba ny tahan’ny nicotine ao amin’ny lavanila: omena hatramin’ny Janoary 2024 ny firenena malagasy tsy hahatapaka ny fahafahantsika manondrana lavanila any amin’ny tsenam-barotry ny Vondrona Eoropeana.

Tsy nampiharina tamin’i Madagasikara ny fitsipika famerana ny taha farany ambonin’ny “nicotine” ao anatin’ny lavanila aondrana any amin’ny tsena eoropeana. Naneho ny tsy fanekeny ny fampiharana an’io fepetra io i Madagasikara nandritra ny fivoriana niraisan’ireo minisitera voakasika sy ny kaomisera eoropeana misahana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpanjifa.

Nampahafantatra ny Kaomisera Eoropeana fa amin’ity volana Septambra ity dia manana fahafahana manolotra sosokevitra hanovana an’io taha farany ambonin’ny nicotine io ny firenena tsirairay mpikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeana. Handalo ambaratonga ao amin’ny Vondrona Eoropeana izany sosokevitra izany ary handalo fankatoavan’ny Parlemanta Eoropena ny volana Janoary 2024.

Efa tafatsangana moa ny “Task Force” eo amin’ny Minisitera telo manomana ny adisisika lalindalina kokoa eo anivon’ireo firenena mikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeana manana masoivoho eto Madagasikara.

Ny 60%-n’ny lavanila vokatra eto Madagasikara dia manana tahan’ny nicotine mihoatra lavitr’io fetra farany ambony nofaritan’ny Vondrona Eoropeana io.

Sary fanehoana

 

 

Vous aimerez aussi...