Ady amin’ny kolikoly

lutte_anti-corruption

Nanentana ny mpiara-miasa avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Analamanga momba ny ady amin’ny kolikoly, ny etika sy deontolojia ny DAILAC
Anatin’ny fanamafisana ny toe-po maha-olon’ny Minisitera rahateo no nanentanan’ny Talen’ny Fitsirihana anatiny sy ny ady amin’ny kolikoly (DAILAC) eto amin’ny MIC, Anthony Cédric Finoana, ireo mpiara-miasa avy amin’ny DRIC Analamanga hiadiana amin’ny kolikoly. Anisan’ny mifanerasera amin’ny sokajin’olona samihafa ny maro amin’ny ekipan’ny DRIC Analamanga amin’ny maha-mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninana azy. Anisan’ny antony ilàna ny hetsika toy izao notontosaina omaly Alakamisy 23 Mey 2024 tetsy Ambohidahy izao izany.
Tanjona ny ananan’ny tsirairay fomba fiasa matihanina azo alain-tahaka sy ny fahavononana hampiroborobo ny kolontsaina tia fangaraharana sy fahamarinana ato anatin’ny Minisitera.
Tsy ela akory izay dia nofanina teny amin’ny BIANCO ho mpampiofana momba ny ady amin’ny kolikoly ny ekipan’ny DAILAC.

Vous aimerez aussi...