Anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra: Ankoatra ny famatsiana hisitrahan’ny mponina ny entana ilaina andavanandro dia manara-maso akaiky ny eny an-tsena ny MICC iadiana amin’ny fanararaotana

Vary Tsinjo 36,5 taonina no notsinjaraina tamin’ireo mpivarotra enta-madinika 152 any anivon’ny fokontany 45 eto Antananarivo sy ny manodidina ny Zoma 10 Marsa 2023. 1,8 taonina kosa ny siramamy Namakia naterina tany amin’ny mpivarotra 36 any amin’ny fokontany 18.

Talohan’io, ny Alakamisy Marsa 2023 dia mpivarotra 141 any amin’ny fokontany 44 no nisitraka Vary Tsinjo 35 taonina. Nanaterana siramamy Namakia mitotaly 1,8 taonina kosa ny mpaninjara 36 any amin’ireo fokontany 19.

Ny Vary Tsinjo moa dia amidy amin’ny 650 Ar/kapoaka raha 3800 Ar ny kilaon’ny siramamy Namakia.

Ho an’ny tao Ihorombe manokana dia nidina ny vidin’ny siramamy na any amin’ny mpamongady na any amin’ny mpaninjara. Marin-toerana ny vidin’ny vary sy menaka ary ny lafarinina. Ampy rahateo ny tahirin’entana. Na ao Ihosy na ny any Ivohibe sy Iakora, manodidina ny 700 Ar ka hatramin’ny 800 Ar ny kapoakan’ny vary nafarana. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny kapoakan’ny vary gasy vokatra ao an-toerana sy ny makaolioka.

Ho an’ny tao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra, diso ny filazana fa misy mampifangaro ny vary nafarana sy ny makaolika satria tsy misy makaolika ao Antsirabe. 700 Ar ny kapoakan’ny vary nafarana ary 2300 Ar ny iray kilao ao Antsirabe. Ny vary gasy eto an-toerana kosa 820 Ar hatramin’ny 850 Ar ny kapoaka raha 2800 Ar hatramin’ny 2900 Ar ny iray kilao.

Atao izay hisitrahan’ny rehetra, araka ny tokony ho izy, ny entana ilaina andavanandro na PPN. Mba tsy hisian’ny fanararaotana sy ny tsy fanarahan-dalàna samihafa dia tafiditra amin’ny asa andavanandron’ny Minisiteran’ny Varotra ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny PPN, ny kalitaony, ny vidiny sy ny tahiry misy.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...