FANATSARANA NY RAHARAHA AMAN-DALÀNA: Mifanome tànana amin’ny Foibem-pitondrana DAJ eto anivon’ny MICC ny orinasa “Madagascar Conseil International” na MCI.
Mivelatra ary misokatra hatrany ny fifandraisan’ny Minisitera amin’ny sehatra tsy miankina.
Mifandray tanteraka amin’izay lalan-tsaina izay dia nisy ny fihaonan’ny Tale misahana ny raharaha aman-dalàna (DAJ) eto amin’ny MICC sy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny MCI omaly 01 marsa 2022 teny Ambohidahy. Nanolotra boky isan-karazany mikasika ny tontolon’ny lalàna ho an’ny DAJ ihany koa ity orinasa mikirakira ny lalàna ity hanatevenana ny tahirin-kevitra misy ao aminy.
“Tsy hijanona hatreo ny fiaraha-miasa fa fanombohana ihany ity” hoy ny DAJ eto amin’ny Minisitera.