Vaovaon’ny faritra ALAOTRA MANGORO: tonga any Anosibe An’Ala ny Vary Mora na tapaka aza ny lalana
Saro-dalana ny Distrikan’Anosibe An’Ala, eny fa na tsy misy rivo-doza aza. Vokatry ny toetr’andro ratsy dia nitatra ny fahasimban’ny lalana. Nitady vahaolana niaraka tamin’ny DRICC Alaotra Mangoro ny tompon’andraikitra ka tonga ao amin’ny Distrikan’ Anosibe An’Ala ihany ny Vary Mora. 7 taonina no hamatsiana ny mponina ao an-toerana ary hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny Tsena Mora rahampitso 15 febroary 2022.