Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa (JIC) – FARITRA IHOROMBE

Fampirantian’ireo kaoperativa ny akora fototra sy vokatra azo avy amin’izany no nanamarika ny fankalazana ny JIC ho an’ny Faritra Ihorombe. Maro, araka izany, ireo kaoperativa nandray anjara tamin’ny hetsika tao Ihosy ny Zoma 5 Jolay 2024.
Nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy ny Governora Annie Franckline Rakotondrasoa, notronin’ireo manampahefana sivily sy miaramila ao amin’ny Faritra. Nanentana ireo izay mbola tsy ao anatin’izany kaoperativa ny governora mba hiditra satria maro, hoy izy, ny tombotsoa azo avy amin’izany.

Vous aimerez aussi...