Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa (JIC) – FARITRA SOFIA

Nanatanteraka atrik’asa sy varotra fampiratiana ny entan’ireo kaoperativa ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Sofia ho fankalazana ny JIC ka tao amin’ny Hotel de France tao Antsohihy no nanaovana izany ny Zoma 5 Jolay 2024.
Nisy ny famakafakana narahina ady hevitra momba ny hampiroboroboana ny Orinasa kaoperativa sy ny tontolony. Niarahana tamin’ny Faritra Sofia, ireo Sampandraharaham-panjakana, ny sehatra tsy miankina mivondrona anaty kaoperativa toy ny eo amin’ny sehatry ny fambolena, fiompiana, jono, asa-tanana, fitaterana, fizahantany, fandraharahana.
Novelabelarina koa ny anjara asan’ny kaoperativa ao anatin’ny Tetikasa ODOF. Nahaliana ny mpanatrika izany. Milina fanodinam-bokatra roa no efa tonga any amin’ny Faritra Sofia hatreto.

Vous aimerez aussi...