Ankatoky ny fetim-pirenena

Amafisina ny fanaraha-maso eny an-tsena ho fiarovana ny mpanjifa.

Fety lavitry ny fanararaotana. Tanjon’ny Minisiteran’ny varotra ny hankalazana ny 26 Jona am-pilaminana tsy hisy fanapoizinana ara-tsakafo na fametsifetsena ny mpanjifa. Miparitaka any amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy, araka izany, ireo mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana.
Entana lany daty sy efa simba milanja 150kg no tratra tao Ihosy sy Andohanilakaka nandritra ny fisafoana nataon’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Ihorombe ny 4 ka hatramin’ny 7 Jona 2024. Nahitana zava-pisotro, paty, vokatra avy amin’ny ronono, loko sy zavatra hafa koa ireo entana ireo izay tsy maintsy nopotehina sy nodorana ny Zoma 14 Jona lasa teo.
Ho an’ny teto amin’ny renivohitra dia teny Tanjombato, Mahamasina, Anosibe no nirotsahan’ny mpanara-maso avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) tamin’ny herinandro. Nomena fampiantsoana hitsara ny fitaovam-pandanjany eny amin’ny SML ny mpivarotra 9 amin’ireo 23 nanaovana fitsirihana.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...