Antenimieram-pirenena: nankatoavina teo amin’ny asam-baomiera ny volavolam-panovana ny lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa eto Madagasikara

Sady tsy nisy ny fanovana no tsy nisy ny fanitsiana natao tamin’ilay volavolan-dalàna N°007/2023 tamin’ny 03 mey 2023. Nahazo fankatoavana teo anivon’ny asam-baomiera teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-drijanten-dalàna momba ny orinasa kaoperativa androany Zoma 2 Jona 2023.

« Lalàna mafy orina miaro ny orinasa kaoperativa ary koa manamora ny fifandraisan’ny orinasa kaoperativa sy rafi-panjakana ity atolotra ankehitriny ity ary indrindra hanatsara ny laharan’i Madagasikara amin’ny fananana lalàna manaraka ny fenitra iraisam-pirenena », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany nandritra ny fanolorany ilay volavolan-dalàna momba ny orinasa kaoperativa teny Tsimbazaza.

Notarihan’ny Solombavambahoaka Filohan’ny Vaomieran’ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina sy ny orinasa madinika sy salantsalany ny asam-baomiera. Mitaky fanavaozana ny lalàna momba ny kaoperativa satria ny lalàna 99-004 tamin’ny 21 aprily 1999 no mbola mihatra hatramin’izao. Zava-dehibe, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, ny fanavaozana izany noho ny fivoaran’ny fiharian-karena. Ary raha miresaka kaoperativa dia miresaka fihariana sy fiveloman’ny mponina.

Tsapa fa haingana kokoa ny fivoarana miainga eny ifotony rehefa mivondrona anaty kaoperativa. Manodidina ny 3500 ankehitriny ny isan’ireo kaoperativa efa voarakitra eto Madagasikara. Maro ny dinika efa vita nentina nandrafitra ity volavolan-dalàna ity, niarahan’ny kaoperativa, ny mpiara-miombon’antoka avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Isan’izany ny atrik’asa namolavolana ny paikadim-pirenena momba ny fampandrosoana ny kaoperativa sy ny fikaonan-doha lehibe in-telo miantoana nanomboka ny taona 2018. Nisy ihany koa ny fanadihadiana « CLARITY » izay fitaovana iraisam-pirenena mandalina ny foto-kevitry ny kaoperativa.

Vous aimerez aussi...