Antenimieran-doholona: nahazo fankatoavana teo anivon’ny asam-baomiera ny Volavolan-dalàna momba ny Orinasa kaoperativa

Tsy nasiam-panovana sady tsy nasiam-panitsiana. Nankatoavina nandritra ny asam-baomiera teny amin’ny Antenimieran-doholona eny Anosikely androany Talata 13 Jona 2023 ilay Volavolan-dalàna momba ny Orinasa kaoperativa.
Namelabelatra ny andinindininy momba ity Volavolan-dalàna ity nanoloana ireo loholona androany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, notronin’ireo mpiara-miasa aminy.
Anisan’ny fanavaozana entin’ity Volavolan-dalàna misy andininy 240 ity fahazoan’ny kaoperativa mivarotra ny vokatra vokariny eto an-toerana na any ivelany.
Zava-dehibe ny fisian’ny kaoperativa ivondronan’ireo mpamokatra any ifotony any. Ireny no mitambatra, no ahafahana miala amin’ny tsy fahampian’ny vokatra eto an-toerana. Raha mitombo ny vokatra dia hihena ny fanafarantsika entana avy any ivelany. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny kaoperativa.

Vous aimerez aussi...