Antenimieran’ny varotra sy indostria ao Toamasina: vonona ary hiasa ho an’ny tombotsoan’ny daholo be ho fampandrosoana ny faritra ireo mpikambana maharitra ao amin’ny CCIT.

Nandray ny toerany ireo mpikambana maharitra ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostrian’i Toamasina (CCIT). Tontosa koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao.
Nisongadin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy, nandritra ny lanonana ara-panjakana tao amin’ny biraon’ny CCIT androany Talata 8 Aogositra 2023 fa ireo mpikambana ao amin’ny CCI ireo dia masoivohon’ireo mpandraharaha eto Madagasikara na ivelan’ny Madagasikara. Raha tiana, hoy izy, ny handroso dia mila mifanohana ny Sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana, ary naneho ny fahavononany tanteraka izy ny amin’ny fizarana izay traikefa ananany.
Nampahafantarin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC), misahana ny minisitera mpiahy ny CCI ihany koa ny momban’ny Lalàna mifehy ny fampiasam-bola sy ny Lalàna momba ny orinasa kaoperativa. Ity farany moa izay heveriny fa anisan’ny lalàna tena tsara satria dia lalàna manome sehatra ireo kaoperativa, ho tena mpandraharaha ka noraisiny ohatra amin’izany ny hahafahan’ny ireo kaoperativa manondrana vokatra sy hanomezana azy ireo ny “agrément” mba hanamora izany fanondranana izany.
Nasian’ny Minisitra teny koa ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy izay nanentanany ireo mpandraharaha mba hiara-hisalahy amin’ny Fanjakana ny amin’izany sy hanohizana ny ODOF (One District One Factory). Tanjona, hoy izy, ny hametrahana indray ny “One Village One Product”. Hanana ny vokatra mampiavaka azy ny isa-tanàna.
Olo-manankaja maro sivily sy miaramila no tonga nanotrona ny lanonana indrindra ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny any amin’ny faritra Atsinanana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...