Atrik’asa

Natao loa-bary an-dasy ny fampiroboroboana ny Seha-pihariana Ronono any amin’ny Faritra Ihorombe.

Fikambanana mpiompy omby, mpanangona ronono, orinasa kely mpanodina ronono… Nantsoina hiara-hikaon-doha avokoa ireo mpisehatra amin’ny ronono ho fampiroboroboana ny fihariana sy ho fampandrosoana ny toekarena amin’ny Faritra Ihorombe. Tanteraka moa izao Atrik’asa izao noho ny fiaraha-mientan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC), ny DRAE ary ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Ihorombe. Teo koa fanohanan’ny Governoran’ny Faritra, ny Ben’ny tanana ao amin’ny kaominina ambonivohitra Ihosy,
Nitsindrian’ny Talem-paritra (DRIC) Ihorombe manokana tamin’ny famelabelarany ny politikan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) momba ny Tetik’asa One District One Factory (ODOF). Anisan’ny tanjona amin’izany ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny famoronana asa. Nitondrana fanazavana ihany koa ny toetsaina maha-mpandraharaha sy ny fanodinana ronono ho lasa vokatra fihinana toy ny fromazy, yaourt, vovon-dronono, crème fraîche sy karazam-bokatra hafa…
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...