Atrikasa fakan-kevitra nasionaly

Hanolotra fenitra momba ny lavanila i Madagasikara.
Tontosa ny 22 Desambra 2023 teny amin’ny Hôtel Panorama Andrainarivo, ny atrikasa fakan-kevitra nasionaly mahakasika ny lavanila. I Madagasikara tokoa mantsy no mifehy ny 80%-n’ny famokarana lavanila manerantany. Izany indrindra no mahatonga antsika Malagasy hanolotra ny fenitra momba ny lavanila any amin’ny komitin’ny Codex Alimentarius misahana ny zava-manitra any Inde ny faran’ny volana Janoary 2024. Io komity io no mpandinika sy mpandany ny fenitra sy ny lalàna momba ny zava-manitra.
Nantsoina tamin’izany atrikasa izany ireo mpisehatra amin’ny lavanila, mpandraharaha, ny solontenan’ny minisitera telo misahana ny Fambolena, ny Varotra ary ny Faditseranana, sy ireo teknisiana manampahaizana manokana momba ny lavanila.
Teboka 4 no niarahana nidinika dia ny famaritana ny lavanila vaky, ny hametrahana ny « Firenena niotazana ny lavanila » hamidy amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny mahakasika ny tahan’ny hamandoana sy ny tahan’ny vanilinina ary ny fomba fanatanterahana ny fanadihadiana simika ny lavanila araka ny fenitra ISO.
Anjarantsika no miady mafy mamaritra ny fepetra famokarana sy ny fivarotana lavanila eo amin’ny sehatra iraisampirenena amin’ny maha mpamokatra voalohany antsika. Nitondra ny fanazavana Ramatoa Lantomalala Raharinosy, ao amin’ny Sampandraharaha misahana ny kalitao sy fepetra momba ny vokatra (SQC) ao amin’ny MICC.

Vous aimerez aussi...