Atrikasa momba ny tsenam-barotra AGOA: nampahafantarina an’ireo mpandraharaha any Ambanja ny fitaovana roa hanampy azy amin’ny asany dia ny “Trade map” sy ny “Portail d’information commercial”(PIC)

Entana na vokatra 5300 karazana sy tany 220 no hita ao amin’ny “Trade map” (Saritany ara-barotra) amin’izao fotoana izao. Amin’ny alalany dia azo atao tsara ny mamantatra ireo orinasa mpanondrana sy mpanafatra entana mety ho azo iarahana miasa sy mijery ny atontan’isa mikasika ny fifanakalozana ara-barotra. Tena ilaina amin’ny fitadiavana lalam-barotra eo amin’ny tsena amerikana ho an’ny kakao malagasy ny Trade map.
Omaly Alarobia 13 Septambra 2023 dia namelabelatra momba ity fitaovana ity tamin’ireo mpandray anjara amin’ilay Atrikasa mikasika ny tsenam-barotra AGOA tanterahina any Ambanja ny avy amin’ny Sampandraharaha misahana ny fampiroboroboana ny fanondranana ao amin’ny Foibem-pitondrana momba ny Varotra Ivelany (DCE) Fetra Tahiry Ratovomahefa.
Ny avy amin’ny Komitim-pirenena momba ny fanamorana ny fifanakalozana (CNFE), Zoeline Hariniaina kosa dia nampanantena fa ho azo kirakiraina ato ho ato ny “Portail d’information commerciale”. Ao no hahitana ny tari-dalana samihafa toy ny dingana rehetra harahina raha hanondrana na hanafatra entana. Hampihena ny fotoana lany sy ny fahahiranana ary ny vola mivoaka amin’ny mpandraharaha izany satria “pendy tokana monja dia ampy hahitana ny vaovao ilaina rehetra”.

Vous aimerez aussi...