Entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro

Nijery ifotony sy namaha ny zava-nanahirana amin’ny fampihodinana ny Orinasa MEO ao Antanamifafy, Kaominina Ambalakida ny ekipan’ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy (CMCS) notarihin’ny Tale jeneraliny, niaraka tamin’ny ekipan’ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Boeny.
?Efa voamarina sy miasa tsara, araka izany, amin’izao fotoana izao ny fitaovam-pandanjana Bascule rehefa nitondrana teknisiana avy amin’ny Métrologie légale. Nisy fanamboarana kely koa ny milina ho afaka mihodina tsara.
?Nisy ny fijerena ireo tantsaha mpamboly fary hamatsiana akora fototra ny orinasa. Ankoatr’izany dia manana tanimboly mirefy 30ha eo koa ny orinasa hitsinjovana ny fanodinana ho an’ny taona 2025. Hanomboka amin’ny volana desambra ny fambolena fary eo amin’ny tany.
?Niditra ho mpanelanelana amin’ny fitadiavana marimaritra iraisana amin’ny vidin’ny fary eo amin’ny orinasa sy ny tantsaha mpamboly fary koa ny delegasiona tonga tany Antanamifafy. Naneho fahavonoana ireo tantsaha ny amin’ny fiaraha-miasa.
Afaka manodina fary 60 taonina isan’andro moa ny milina famokarana siramamy ao Antanamifafy.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...