Famatsiana: latsaky ny 3000ar ny kilaon’ny vary any Bongolava. Ampy hiatrehana ny fahavaratra ny tahirim-bary.

Nanara-maso ny vidim-bary tany amin’ireo distrika roa ao anatin’ny faritra Bongolava ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRICC) omaly Alakamisy 25 Janoary 2024. Tsikaritra tamin’izany fa tsy mihoatra ny 3000 Ar ny vidin’ny vary iray kilao any an-toerana. Tsy ananana ahiahy ny mety ho tsy fahampian’ny vary.

? Distrikan’i Tsiroanomandidy :

– Vary gasy : 700 – 750 ar/kapoaka na 2450-2625ar/kg

– Vary tsipala/makalioka : 750-800ar/kapoaka na 2625-2800ar/kg

? Distrikan’i Fenoarivobe :

– Vary gasy: 680-700ar/kg na 2380-2520ar/kg

– Vary makalioka : 700-750ar/kapoaka na 2450-2625ar/kg

Sary DRIC

Vous aimerez aussi...