Famatsiana ny mponina: ataon’ny DRIC andrimaso ny vidim-bary any amin’ny faritra SAVA
Tao Andapa dia nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpanangom-bokatra sy mpitoto vary fa tsy tokony hihoatra ny 160000Ar ny vary iray gony 60kg mivoaka amin’ny ozinina raha hivarotra izy ireo, na misy aza ny fahasarotan’ny famoahana ny vokatra avy any ambanivolo noho ny rotsakorana.
Nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpamongady ao amin’ny faritra SAVA mba hampitomboan’izy ireo ny tahirim-bary.
Nisy ny fisavana faktiora ho an’ireo izay hita fa manararaotra. Nampanantsoina tany amin’ny birao, nanaovana fanadihadihana izy ireo.
Nohamafisina ny fitsirihana ireo trano fanatobiam-bokatra, ny fanaovana fanambaràna tahiry sy vidin’entana ho an’ireo mpamongady sy mpanangom-bokatra.