Famatsiana ny mponina: mitohy fa tsy ho tapaka ny fanafaran’i Madagasikara vary avy any Inde

Nahomby ny fandresen-dahatra nataon’ny ekipan’ny MICC tamin’ny Ambasadaoro indiana eto amintsika. Nanaiky ihany i Inde fa tsy ho tapahana ny fanafaran’i Madagasikara vary avy any aminy. Noho izany dia hamatsy vary antsika tsy tapaka ry zareo.
Raha tsiahivina dia namoaka fanambarana ny governemanta indiana tamin’ny 20 Jolay 2023 teo fa tsy afaka hanondrana vary fotsy tsy “basmati” intsony i Inde manomboka amin’io daty io, ao anatin’ny fotoana tsy voafetra. Voalaza fa ho an’ny firenena rehetra erantany tsy ankanavaka izany fepetra izany mba ho fiarovany ny vahoakany tsy hiharan’ny fiakaran’ny vidim-bary mihoapampana na ho sanatria tratry ny tsy fahampiam-bary sy mosary.
Ho an’i Madagasikara manokana dia 80 isan-jaton’ny vary afarantsika dia avy any Inde. Hiatrika ny fotoana maitso ahitra rahateo isika rehefa afaka kelikely. Satria aim-pirenena ary fahafahan’ny vahoaka malagasy manjifa vary tsy tapaka no resaka eto dia tsy niandry ela isika fa nangataka fihaonana haingana tamin’ny Ambasadaoro indiana eto Madagasikara. Androany Talata 1 Aogositra 2023 no noraisin’ny Masoivoho ny delegasiona notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana, ary nahitana ny avy ao amin’ireo Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Ivelany sy Varotra Anatiny. Nifandresy lahatra ny roa tonta ary nanao fangatahana manokana mba tsy ho ao anatin’io fepetra i Madagasikara.
Sary DCE

Vous aimerez aussi...