Famatsiana ny mponin’antananarivo sy ny manodidina: Vary Tsinjo 35,05 taonina sy siramamy Namakia 1,8 taonina indray no notsinjaraina tamin’ireo mpivarotra any amin’ny fokontany samihafa ny Zoma teo

Mponina amin’ny fokontany 39 eto Antananarivo sy ny manodidina no afaka nisitraka ny Vary Tsinjo amin’ny vidiny 650 Ar/kapoaka. Naterina an-tanana tany amin’ireo mpaninjara 141 akaiky azy ireo ny vary 35 taonina mahery.

Mpivarotra 36 amin’ny fokontany 20 kosa no nahazo siramamy Namakia izay amidiny 3800 Ar/kg. Mitotaly 1,8 taonina ireo siramamy notsinjaraina ireo.

Ho an’ny DPC dia mitohy ny fisafoana ny tsena indrindra amin’izao andro ratsy izao hialana amin’ny fanararotana mety ho ataon’ireo mpivarotra. Teny Ambondrona sy teny Ambanidia no nanaovana izany tamin’io Zoma 03 Martsa 2023 io.

Nisy ireo mpivarotra nampihatra vidin’entana mihoatra noho ilay vidy ara-drariny (« prix de référence ») napetraka ka tsy maintsy niroso tamin’ny fanitsiana izany ny ekipa ho tombontsoan’ny mpanjifa.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...