Famelomam-bolo ny seha-pihariana kafe: nikaon-doha tamin’ny ACRAM ny tompon’andraikitra Malagasy

Nitotongana ny seha-pihariana kafe eto amintsika ary tsy marisika hamokatra intsony ny tantsaha. Anisan’ny nahatonga izany ny fahanteran’ny fototra kafe, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny foto-drafitr’asa momba ny kafe teo aloha. Efa natomboka ny ezaka hamerenana ny lazan’ny kafe malagasy.
Ny fikaroham-bahaolana hamelomam-bolo indray ny kafe no anton-dian’ny ACRAM (Agence des Cafés Robusta d’Afrique et de Madagascar) tarihin’ny filohany Anselme Gouthon eto Madagasikara. Nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny tompon’andraikitra malagasy voakasik’ity seha-pihariana ity teny amin’ny Radisson Ambodivona ny Alarobia 14 Jona 2023.
“Tsy maintsy atao ny ezaka azo tsapain-tanana hahazoan’ny kafe malagasy ny toerany eo amin’ny tsena. Ilana araka izany izao fiaraha-miasa amin’ny ACRAM izao hanavotana ity seha-pihariana ity”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana, Isidore Razanakoto teny Ambodivona.
Araka ny vinavina dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 21000 taonina ny vokatra kafe eto amintsika amin’ny taom-piotazana manaraka raha 10000 taonina izany teo aloha.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...