Faritra ara-barotra malalaky ny kaontinaonta Afrikana (ZLECAF)

Any Accra Ghana no mampitovy fijery momba ny volavolam-pifanarahana miisa 4 ireo mpikambana ao amin’ny ZLECAF
Nanomboka tamin’ny Alatsinainy 03 Oktobra 2022 ny fivoriana faha-10 andraisan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny ministera misahana ny varotra ao amin’ny ZLECAF anjara. Nifantoka tamin’ny fandravonana sy fanitsiana ny hevitra voaangona momba ny volavolam-pifanarahana mikasika ny fizakamanana ara-tsaina, momba ny fampiasam-bola, momba ny varotra servisy ary momba ny volavolam-pifanarahana mikasika ny politikan’ny fifaninana ny fihaonana. Mbola nisy nitsipaka anefa ny firenena sasany ka mitohy ny fandinihana. Hamaritra ny fifandraisan’ireo firenena ao anatin’ny ZLECAF ireo volavolam-pifanarahana ireo.
Nanatrika ihany koa ny fanombohana ny hetsika ara-barotra manokana anatin’ny ZLECAF ny mpandray anjara. Nanehoana moa izany fa azo ampiasaina tsara ireo fifanarahana anaty ZLECAF, ny fanamafisana fifandraisana miaraka amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo sehatra azo iaraha-miasa ampiakarana ny fifandraisana ara-barotra anatin’ny kaontinanta afrikana. Firenena 5 no nanomboka izany dia i Cameroun, Egypte, Ghana, Maurice, Rwanda ary Tanzanie ary vokatra vitsivitsy no niaingana. Inoana fa hiampy ny firenena hiditra ao ary hitombo koa ny vokatra voakasika. Nisy ny fitsidihana ny seranam-piaramanidin’i Accra nifampizarana traikefa mikasika ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra.
Amin’ireo firenena 54 nanao sonia ny ZLECAF dia 44 no efa ao anatin’ny ZLECAF ka i Guinée-Bissau no niditra ho mpikambana farany. Misolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fivoriana any Accra Ghana ny Talen’ny Varotra Ivelany eto amin’ny MICC.

Vous aimerez aussi...