Fiarovana ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena: Nanamafy fahaiza-manao momba ny fandravonana ny disadisa ireo tompon’andraikitra mpikirakira ny lalàna any anivon’ny minisitera

25 izy ireo no nahazo fiofanana ka ny 17 avy amin’ny MICC (Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana) , 2 avy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, 2 avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ary 2 tompon’andraikitra misahana ny fifanolanana iraisam-pirenena eny amin’ny Primatiora. Nandritra ny roa andro, ny Alatsinainy 6 sy Talata 7 Marsa 2023, no nanamafisany ny fahaiza-manao momba ny fandravonana ny disadisa mety mitranga.

Ahafahan’ireo mpandray anjara mampitombo ny fiarovana ireo vokatra avy any amin’ny faritra sy eto amin’ny firenena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ity fampiofanana ity.

Vous aimerez aussi...