Fampandrosoana

Fampandrosoana
Nentanina hanana kolontsaina fandraharahana ireo mpianatra any amin’ny Oniversiten’Antsiranana
Tanora mpianatra 300 avy ao amin’ny Fakiolten’ny Lalàna, Toekarena, Fitantanana ary ny Siansa politika any amin’ny Oniversiten’Antsiranana no nisitraka fizarana momba ny kolontsaina fandraharahana avy amin’ny ekipan’ny Fampiroboroboana ny indostria eto amin’ny MIC ny Zoma 30 Aogositra 2024. Kendrena amin’izany ny hitarihana hatrany ny tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny fandraharahana mandritra na aorian’ny fahazoan’izy ireo Diplaoma satria anisan’ny fototry ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana.
Nentanina koa izy ireo hazoto hivondrona anaty Fikambanan’ny Mpianatra na na koa anaty Orinasa Kaoperativa satria isan’ny fomba iray ahafahana miditra eo amin’ny sehatry ny Fandraharahana izany. Maro tamin’izy ireo no liana sy resy lahatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana.
Taorian’izany hetsika izany dia nisy koa ny fihaonana teo amin’ireo Tompon’andraikitry ny Fakiolte ireo sy ny avy amin’ny MIC nentina nifanakalozana hevitra sy nijerena izay mety ho fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversite sy ny MIC amin’izay lafiny fampiroboroboana ny fandraharahan’ireo tanora mpianatra ireo izay.

Vous aimerez aussi...