Fampandrosoana ara-toekarena

Natomboka ny fakan-kevitra handrafetana ny paikady nasionaly momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara.
Noraisana ny hevitry ny mpisehatra amin’ny varotra na ny avy amin’ny sehatra tsy miankina toy ny vondron’ny mpandraharaha nahazo alalana mamaky tanàna ka tsy mandoa fadintseranana eto Madagasikara (Groupement des transitaires na GTM) sy ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) na ny rafi-panjakana isan-tsokajiny toy ny Minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny Sampan-draharaha misahana ny fitantanam-bola ivelany (FINEX). Nofaritana ihany koa ireo fomba fanao mitaky fanatsarana hanamorana ny fifanakalozana eto amin’ny firenena.
Tetsy amin’ny Centell Antanimena omaly Talata 13 Aogositra 2024 no nanatanterahana ny loa-bary andasy mikasika ny fandrafetana ny paikady nasionaly momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara. Hetsika eo ambany fiahian’ny Komity nasionalin’ny fanamorana ny fifanakalozana (CNFE).
Tanjona apetraka ny hampihenana ny fotoana sy ny vola lany amin’ny sehatry ny varotra ka hampitombo ny tombontsoan’ny mpandraharaha amin’ny asa ataony. Nivoitra tamin’izany ireo fanatsarana tokony mbola ho tohizana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, ny fanatsarana ny lalàna maro samihafa mifehy ny varotra avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny.
Nohamafisin’ny Tale jeneralin’ny Varotra eto anivon’ny MIC, Isidore Razanakoto izay sady Filoha mpiara-mitantana ny CNFE, fa tsy eto Antananarivo ihany ny fakan-kevitra fa mitohy hatrany amin’ny faritra. Zava-dehibe ho an’ny fandrafetana ny paikady ny hevitr’ireo mpisehatra ara-barotra rehetra ka ho raisina avokoa izany entina hampandrosoana ny sehatry ny varotra eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...