Fampandrosoana ifotony: fanoitra lehibe ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialin’ny Faritra ny kaoperativa.

Nitsidika ny biraon’ny Faritra Itasy ny delegasiona notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny MICC, Onja Miandry Rakotondramanana androany 21 jolay 2023. Nifanakalo hevitra niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Itasy, ny Ben’ny Tanànan’ny kaominina Miarinarivo ary ny solontenan’ny Fileovana.

Miezaka hatrany ny eo anivon’ny Faritra Itasy manohana ireo tantsaha ifotony. Tsapa fa mora kokoa ny fanohanana azy ireo noho ny fivondronany anaty kaoperativa. Betsaka ny vokatra eto amin’ny Faritra, hoy ny Governora, ary mendrika ho tohanana satria mampiakatra hatrany ny harin-karena faoben’ny Faritra izany.

Manome toky hatrany ny MICC izay Minisitera mpiahy ireo kaoperativa amin’ny fampandrosoana azy ireo. Ao anatin’ny ezaka ataon’ny rafi-panjakana ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny kaoperativa ho lasa orinasa kaoperativa izay efa nankatoavina teo anivon’ny Parlemanta.

 

Vous aimerez aussi...