Fampandrosoana maharitra

Hasongadina mandritra ny hetsika “Salon RSE” andiany faha-9 fa tompon’andraikitra amin’ny fiantraikan’ny asany eo amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana ny orinasa.

Miha-mahatsapa ny orinasa malagasy ankehitriny fa manana anjara biriky amin’ny fanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD). Na eo aza ny fahasahiranana dia tsapa ny fahavitrihan’izy ireo amin’ny asa sosialy sy mitsinjo ny tontolo iainana. Fivoizana izay andraikitra ara-piaraha-monina tokony ho raisin’ny orinasa (Responsabilité sociétale de l’entreprise na RSE) izay indrindra no antony nikarakarana ny hetsika “Salon RSE” andiany faha-9 ny 11 sy 12 Jolay 2024 izay hahitana mpampiranty manodidina ny 70.
Fiaraha-mientan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), ny Minisiteran’ny Jono, ny Minisiteran’ny Tontolo iainana ary ireo avy amin’ny Sehatra tsy miankina toy ny FIVMPAMA, SIM, CTM no hahatontosa ity hetsika karakarain’ny Cabinet Innoveo ity.
Ho an’ny MIC manokana dia mirindra amin’ny Tetikasa ODOF izay fametrahana milina eny ifotony ho an’ny mponina sy mpandraharaha eny ifotony ny lalan-tsain’ny RSE. Kendrena amin’izany ny fampandrosoana maharitra ny distrika sy tanàna samihafa. Hatreto dia miisa 59 ny orinasa ODOF mitsangana manerana ny Distrika 56.

Vous aimerez aussi...