Fampandrosoana maharitra

Mandray anjara mavitrika amin’ny fanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) sy amin’ny fanatanterahana ny andraikitra ara-piaraha-monina (Responsabilité sociétale de l’entreprise na RSE) manandrify azy ny orinasa malagasy
Roa andro misesy no hiresahan’ny mpandraharaha sy ny orinasa malagasy ary ny rafi-panjakana mikasika ny asa mivaingana eo amin’ny fandraisana andraikitra ara-piaraha-monina sy ny fanatrarana ny ODD etsy amin’ny Novotel Alarobia. Misy ihany koa ny tranoheva miisa 70 mahery hampirantian’ny orinasa malagasy avy amin’ny seha-pihariana maro ny hetsika RSE tontosain’izy ireo. Tsy ho mpisehatra ara-toekarena fotsiny ihany ireo mpandraharaha sy orinasa malagasy fa ho andry eo amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny lafin’ny RSE avokoa.
Ho an’ireo orinasa indostrialy malagasy mikambana ao anatin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) ohatra dia mibanjina ny andraikitra ara-piaraha-monina tanteraka ho an’ny fampiroboroboana ny indostria, hoy ny Filohany Tiana Rasamimanana. Mikendry ny fisian’ny fitantanana tompon’andraikitra, ny fanajana ny zon’olombelona, ny fampandrosoan’ny maha-olona, ny fikajiana maharitra an’ireo harena voajanahary, ny fametrahana ny mangarahara ho an’ny mpanjifa ary ny fampiroboroboana ny vokatra malagasy ireo orinasa malagasy mpikambana ao anatin’ny SIM. Maneho sahady ny fahavononan’ny orinasa malagasy hiroso hatrany amin’ny dingana RSE ny fahavitrihan’izy ireo amin’ny fandraisana anjara amin’ny “Salon RSE et IDD” izay hifarana anio Zoma 12 jolay 2024 eny amin’ny Novotel Alarobia.
Zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny RSE ny fisian’ny lalàna velona mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara izay nahazo fankatoavana teo amin’ny Parlemanta ny taona 2023. Efa nandalo teo amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana fampiharana izany lalàna izany ary mametraka ny fanatanterahan’ny mpandraharaha rehetra ny dingana RSE eo amin’ny lafiny ara-toekarena, ny lafiny ara-tsosialy ary ny lafin’ny tontolo iainana. Miezaka hatrany ny rafi-panjakana, hoy ny Sekretera jeneralin’ny MIC, Vahinisoa Ranoelimanana Rasamoely, manohana ara-teknika ireo orinasa indostrialy sy ny sehatra tsy miankina eo amin’ny fanatsarana ny fandraharahana eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...