Fampiroboroboana ny fandraharahana

Nankalaza ny Herinandron’ny Fandraharahana maneran-tany ihany koa ny APEESP.
Famelabelaran-kevitra narahina adihevitra tetsy amin’ny Trano malalaky ny MEF Anosy no nentin’ny APEESP (Association pour la promotion de l’entrepreneuriat de l’Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo) nanamarika ny Herinandron’ny Fandraharahana maneran-tany ny Sabotsy 18 Novambra 2023. Hetsika teo ambany fiahian’ny MICC izay nosoloin’ny avy ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) tena.
Isan’ny fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny fandraharahana. Manome lanja ny fahaiza-manaon’ny mponina indrindra ny tanora ny tontolon’ny fandraharahana. Izany indrindra no nandrisika ny Fikambanana ho an’ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana eo anivon’ny Sekoly ESPA nikarakara ny Andron’ny mpandraharaha ny 18 Novambra lasa teo.
Mametraka ny tanora ho isan’ny mpisehatra voalohany amin’ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana ny MICC. Maneho hatrany koa ny fahavononany hitantsoroka ireo hetsika mifandray amin’izany fomba fijery izany.
Sary DPE

Vous aimerez aussi...