Fampiroboroboana ny fandraharahana

Vinavinaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Région Nouvelle Aquitaine sy ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Itasy
Nandray delegasiona avy amin’ny Région Nouvelle Aquitaine (RNA) ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Itasy ny Talata 13 Aogositra 2024. Tamin’izany no namelabelaran’ny Talem-paritra Patricia Jaoriziky ireo andraikitra sahanin’ny fitaleavam-paritra momba ny fandraharahana sy ny vinan’ny Minisitera mahakasika izany.
Maro lafy ny fiaraha-miasa azon’ny roa tonta tanterahana toy ny fanamafisana traikefa sy fizohiana ireo mpisitraka ny Tetik’asa ODOF, ny fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo mpikambana amin’ny orinasa kaoperativa indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fandraharahana na ao anatin’ny faritra izany na any ivelany.
Mbola dingana fakan-kevitra amin’ny DRIC Itasy moa no nataon’ny avy ao amin’ny RNA teto ahafahana miroso amin’ny fampandrosoana miaraka ny tontolo ambanivohitra indrindra eo amin’ny fampivoarana ireo orinasa kaoperativa ao amin’ny Faritra Itasy.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...