Fampiroboroboana ny fandraharahana ara-kajy mirindra

𝗠𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝘃𝗮𝗼 𝗺𝗶𝘀𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 𝟰𝟯 𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗣𝗜𝗖 (𝗣𝗼̂𝗹𝗲𝘀 𝗜𝗻𝘁𝗲́𝗴𝗿𝗲́𝘀 𝗱𝗲 𝗖𝗿𝗼𝗶𝘀𝘀𝗮𝗻𝗰𝗲), 𝘃𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗕𝗮𝗻𝗸𝘆 𝗜𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗹𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗬 𝗗𝗜𝗚𝗜𝗧𝗔𝗟.

Nanaraka fandaharan’asa manokana manohana ny fandraharahana ara-kajy mirindra ireo mpandraharaha vao misandratra 43 ireo nandritra ny 12 volana. Nasongadina tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny toetsaina tia manavao sy mamorona ao amin’izy ireo. Noraisin’ny Nexta, Orange Digital Center ary Zafy Tody an-tanana ny fampiofanana ireto mpandraharaha ireto. Nofaranana tetsy amin’ny Radisson Blue Ambodivona ny fampiofanana andiany voalohany notohanan’ny tetikasa MIARY DIGITAL.

Notolorana fanohanana mitentina 15000 dolara ireo mpandraharaha ireo ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny fandraharahany. Seha-pihariana maro toy ny fizahan-tany, varotra, momba ny fampandrosoana maharitra, angovo, fahasalamana, fandraharahana ara-pambolena no trandrahan’izy ireo amin’izany.

« Voninahitra ho anay ny fisian’izao hetsika izao, indrindra ny fanomezana tohana ireo tetikasa tsirairay ho an’ny fandraharahana. Ny fivoaran’ny teknolojia dia manamafy ny fandraharahana sy ny varotra eto amin’ny firenentsika. Manampy amin’ny famatsiana ny indostria any ifotony sy ny sehatra tsy miankina ny tetikasa tahaka izao ka manamafy ny toekarena sy ny fampanana asa eto an-toerana”, hoy ny Mpanolotsaina ara-teknikan’ny Minisitra DAVID RALAMBOFIRINGA, Anouchka RAZAKANDISA izay nisolotena ny Minisitra nandritra ny famaranana ny fampiofanana andiany voalohan’ny Tetikasa MIARY DIGITAL. Nampahatsiahiviny fa ny fampiroboroboana ny indostria dia andry faharoan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Vonona hatrany ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) hanohana ireo mpandraharaha eo amin’ny fanatanterahana ny fanovana indostrialy ara-kajy mirindra.

Maro ny ezaka tontosain’ny Rafi-panjakana sy ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ankehitriny amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana toy ny namolavolana ny Lalàna mikasika ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny Lalàna momba ny Fizakamanana ara-indostria. Zava-dehibe koa ny fanohanana ny fandraharahana ara-kajy mirindra ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Minisitera 13 no misitraka ny Tetikasa PIC ka anisan’izany ny MIC, MEF, MNDPT, MINAE, MTA.

Vous aimerez aussi...