Fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora any Itasy

Nahazo fiofanana mahakasika ny fananganana tetikasa ary nomena mpiahy (« encadreur ») tsirairay koa ireo tanora voafantina tamin’ny fifaninanana
Tonga eo amin’ny dingana famaranana ireo Tanora mpitondra tetikasa 10 voalohany voafantina tamin’ny fifaninana tetikasa vaovao (« concours de projet innovant ») tany amin’ny Faritra Itasy. Fifaninanana nokarakarain’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) niaraka tamin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Itasy sy ireo mpiara-miombon’antoka dia ny Région Nouvelle Aquitaine sy ny Faritra Itasy.
Naharitra 2 andro ny famelabelarana ireo tetikasa tsirairay eo anoloan’ny mpitsara ary omaly Alakamisy 1 Febroary 2024 no navoaka ny valin’izany fifaninana izany.
Tanjon’ity fifaninana ity ny hanome tosika sy hampiroborobo ny fandraharahana eo amin’ny tanora ao anatin’ny Faritra Itasy.
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...