Fampiroboroboana ny Indostria

Hiroso hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny Fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM)
Vonona ny hiara-dia amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ny Sehatra tsy miankina ary hanomboka avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny Fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria araka ny Fifanekena teo amin’ny roa tonta.
« Manana fanantenana hahazo voka-tsoa eo amin’ny fanohanana ireo orinasa sy ny sehatra indostrialy malagasy amin’ny alalan’ny asa rehetra hifanomezan-tanana sy ny asa rehetra mbola miandry hiarahana ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara izahay », hoy ny Filohan’ny SIM, Tiana Rasamimanana. Nandritra ny fihaonan’ny delegasiona notarihiny tamin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, Edgard Razafindravahy tetsy Ambohidahy omaly Alakamisy 01 febroary 2024 no nanehoany izany.
Samy resy lahatra fa fanoitry ny fampandrosoana ny fampiroboroboana ny indostria. Miantso ny vondron’ny indostria malagasy ny Minisitra hiara-hiasa ao anatin’ny fandaharan’asa ODOF (One District One Factory) hifanampiana amin’ny mpandraharaha malagasy. « Tsy tokony hifanalavitra fa hifanakaiky foana hahitan’ireo mpampiasa vola ny fahavononana sy ny fandrindrana iraisan’ny Sehatra tsy miankina sy ny Rafi-panjakana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nanamafy fa efa dodona avokoa ny roa tonta hiroso amin’ny asa.

Vous aimerez aussi...