Fampiroboroboana ny indostria

Manatsara ny Fandraharahana indrindra eo amin’ny ara-indostrialy ny fankatoavana ny aro fenitra ao anatin’ny Tsena iombonana ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (SADC)
Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny MIC Anosy ny fihaonana teo amin’ny MIC, ny MAE niaraka tamin’ny SADC androany 29 aprily 2024. Novelabelarin’ny teo anivon’ny SADC ireo teboka goavana maha zava-dehibe eo amin’ny fanatsarana ny fampandrosoana ara-indostria ny fankatoavan’ny firenena Malagasy ny aro fenitra momba ny Indostria ao anatin’ny SADC. Marihana fa tamin’ny volana Aogositra 2019 ny fanekena izany aro-fenitra ara-indostrialy izany. Mikendry indrindra ny Fampiroboroboana ny Indostria miralenta sy voaara-maso, manamafy ny fanaraha-maso sy ny fivoaran’ny Politika indostrialy, mampiroborobo ny Fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny Indostria, manamora ny fampandrosoan’ny orinasa madinika sy salantsalany ary mampiroborobo ny famokarana sy ny varotra isam-paritra ireo akora fototra indostrialy ny tanjona fototr’ity aro-fenitra napetraky ny SADC ity. Efa saika vitan’i Madagasikara avokoa ireo anjara andraikitra mikasika ny fampandrosoana ara-indostria. Tafiditra ao anatin’izany ny paikady Fampiroboroboana ny Indostria, ny fanomezan-danja ny fifampiresahana sy ny fifanakalazona eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP), ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola, ny fametrahana ny famokarana indostrialy, ny famoronana asa ho an’ny mponina. Hita taratra ireo fandraisana andraikitra ireo amin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny Fampiasam-bola eto Madagasikara, ny fametrahana ny fifanekena ara-indostrialy nataon’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana, ny fanatanterahana ny fandaharanasa ODOF.
Ao anatin’ny tombontsoan’ny fankatoavana izany aro-fenitra izany ny fanatsarana ny sanda hary eo amin’ireo vokatra, fampitomboana ny fanondranana vokatra makany amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny Fampiroboroboana ny Fampiasam-bola. Tombontsoa izay afaka sitrahana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ireo Taninketsa Indostrialy manerana ny Faritra hoy ny Sekretera Jeneraly Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno nandritra ny fifanakalazona natao niaraka tamin’ny ekipan’ny SADC.

Vous aimerez aussi...