FAMPIROBOROBOANA NY MARIKA MALAGASY NY ANTSIKA MIARAKA AMIN’NY SIM

Tontosa anio ny fisarihana ireo tsara vintana nahazo ny loka nandritra ny lalao Malagasy Ny Antsika natao nanomboka ny 19 martsa hatramin’ny 28 martsa lasa teo niarahana tamin’ny SIM teny amin’ny magazay Score Ankorondrano. Raha tsiahivina dia mitsinjara ho toy ireo loka nozaraina:
– “Paniers garnis” Malagasy Ny Antsika miisa 10
– Taratasy fahafahana manjifa na “bons d’achat” miisa 5
– Fitsangatsanganana ho an’olon-droa miisa 5
Ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo loka ireo dia ho tanterahina ny 02 Aprily ho avy izao.
Marihana fa ny hetsika fampiroboroboana ny Malagasy Ny Antsika dia hiparitaka eny anivon’ny faritra ho fampirisihana ny vahoaka hanjifa hatrany ny vokatra Vita Gasy.

Vous aimerez aussi...