FANOLORANA OFISIALY IREO LOKA HO AN’IREO TSARA VINTANA NANDRITRA NY LALAO “MALAGASY NY ANTSIKA”

Tanteraka anio tetsy amin’ny magazay Score Ankorondrano ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny loka ho an’ireo tsara vintana nandritra ny lalao “Malagasy Ny Antsika” niarahan’ny SIM sy ny MICA niasa ho fampiroboroboana ny vokatra Vita Malagasy. “Paniers garnis Malagasy Ny Antsika, bons d’achats ary fitsangatsangana any amin’ny Nosy Sainte Marie” ny loka nozaraina raha tsiahivina.
Nanentana ny fandrisihan’ny Malagasy hanjifa hatrany ireo vokatra vita eto an-toerana ireo tsara vintana nahazo ny loka ho fanomezan-danja ny Vita Malagasy.

 

Vous aimerez aussi...